Maty voatifitry ny zandary avy ao amin’ny vondrompileovana Atsinanana sy saron’izy ireo ireo namany izay mpanao fanafihana mitam-basy eto Toamasina renivohitra. Ity tovolahy voasambotra voalohany ity no tena mpanao ilay fanafihana, fa ireo namany kosa dia ireo mpimasiny sy ny mpampian-trano azy isaky ny mitsoaka ny tenany, izay mbola nahatrarana entana halatra tao aminy nandritra ny fisamborana. Tao Savalaina distrikan’I Brickaville no tratra ny tenany sy ireto mpiara-miasa aminy akaiky ireto; nefa ankoatra azy ireo dia nisy koa ireo tratra teto Toamasina ny mpiara-misalahy aminy, ka tao Mangarivotra araka ny loharanom-baovao ny zandary sy ny fanadiadiany no tratra ilay iray manaraka. Nisy koa ny voasambotra tao Ambalakisoa ny manaraka niaraka tamin’ny basy fitondran’izy ireo amin’ny fanafihana olona fanaony. Teo koa olona tratra tao Ambalamanasy izay voatifitry ny zandary noho ny fitsoahany raha vao nahita ireto zandary hisambotra azy. Tamin’izao fahafatesany voatifitry ny zandary izao, dia mbola nahitana zava-maranitra sy basy ihany koa teny aminy raha nosavaina. Raha araka ny fampitam-baovao voaray dia isan’ireo jiolahy mpanao fanafihana magazay sy kioska mpanakalo vola teto Toamasina ireto olona voasambotra sy maty voatifitra ireto ; vokatra izay asa ratsy fanaon’izy ireo izay no nahazoan’ny zandary vaovao tamin’ny olona tsara sitra-po mikasika azy ireo. Miandry ny fitsarana azy any am-ponja ireto jiolahy saron’ny zandary ireto taoriana ny fakana am-bavany azy ireo sy natolotra ny fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana.
Malala Didier