Nanaitra ny maro ny sarin’ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga teny amin’ny lalan’Ivato ny 23 septambra vao maraina. Nahafaty olona izany ary tovolahy mpianatra, teratany sinoa izay antsoina hoe Kevin no maty tsy tsa-drano rehefa voahitsaky ny fiara tsy mataho-dàlana izay nentin’ny ramatoa iray. Niakatra fitsaràna araka ny maha-lozam-pifamoivoizana izay niteraka fahafatesan’olona azy ny raharaha. Saingy tezitra ireo fianakaviana sinoa havan’ny maty satria raha ny fantatr’izy ireo dia tsy voasaringotra tao anatin’ny raharaha indray ilay ramatoa. Nahiliny tany amin’ny fiara marika Starex izay teo anoloany ny rihitra kanefa izahay dia manana tahiry ny horonan-tsary izay mirakitra ilay lozam-pifamoivoizana, raha araka ny fanazavan’ny mpisolovava ny fianakavian’ny maty. Nalaina tamin’ny hotely lehibe iray teo amin’ny manodidina izany « vidéo » izany. Noporofoin’ireo havan’ny maty fa voahosin’ilay fiara nisy ilay ramatoa ilay tovolahy mpianatra 17 taona, teo Mandrosoa-Ivato. Nanao hetsika teo anoloan’ny fitsaràna etsy Anosy izy ireo omaly mba hisintonana ny sain’ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky ity raharaha ity izay nilazan’izy ireo fa misy tsindry hazo lena izay ataon’ny tompon’andraikitra tamin’ny lozam-pifamoivoizana. Mitaky ny mba hivoahan’ny marina izy ireo satria mitady ho afa-maina ny tompon’andraikitra. Ny manaitra ny saina amin’ny tranga toa itony dia ny hoe tsy mba lasa lavitra ve ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana ka afaka manao tsoan-kevitra ny amin’izay mety ho tompon’andraikitra? Ekena fa mijanona eo amin’ny firaiketana an-tsoratra ny asan’izy ireo kanefa toa lasa mampiady ny olona raha ny olona indray no lasa mitady porofo kanefa tsy andraikiny izany…
D.R