Ny hamafin’ny fiainana amin’izao tokoa ve no mahatonga ny olona hanatao foana. Hany ka na dia efa voarara aza dia mbola andao “hijobohana” ihany. Toy ity rangahy iray, izay manodidina ny 50 taona, tratra nanarato teny amin’iny ranon’Anosy. Mbola tratra teny aminy ny fitaovana nampiasany tamin’izany sy ireo trondro marobe vao azon’izy ireo. Maromaro ireo olona ireo raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena, saingy ity farany aloha no tra-tehaka, raha tafaporitsaka kosa ny ambiny. Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nilazàny, fa “eny Isotry ny olona mandray ireo trondro azony ireo” hoy hatrany ny tatitra. Omaly atoandro no nisy nampilaza ireo pôlisy avy amin’ny boriborintany fahadimy fa misy andian’olona maromaro manarato ao amin’ny ranon’Anosy. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto pôlisy ireto izay nanao fanamiana sivily. Efa mailo kosa tetsy andanin’izay ireto mpampihinana maloto olona ireto, ka raha nahita ireto olona miendrika ho pôlisy dia nitsoaka avy hatrany. Ity rangahy ity kosa no “voasambotra satria nitondra ireo trondro azony. Rehefa izay dia mbola saika nankeny ampovoan’ny rano izy”. Fampihinana maloto olona ary fanjonoana sy fanaratoana amin’ny faritra voarara no fantatra fa tsy maintsy vesatra hanenjehana azy ity. Anio izy no hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana. Tsiahivina fa efa maromaro ihany ireo mpanarato sy mpanjono eny amin’iny faritra iny no voasambotry ny pôlisy. Miparitaka amin’ireo faritra misy tsena eto Andrenivohitra ireo trondro maloto azon’ireo. Raha ny tamin’ny farany teo izao dia voalaza fa eny amin’ny tsenan’Anosizato no misy olona efa mpandray izany trondro izany.
m.L