Nitombo roa indray izao ireo olona fantatra fa nosamborina tamin’ny fanelezana vaovao tsy marina sy fanakorontanana saim-bahoaka ao anaty tambajotra sosialy. Tsy vitan’ireo ihany fa mbola misy ireo karohina fatratra amin’izao, hoy ny fanazavàna azo avy amin’ny Lt-colonel Herilalatiana, lehiben’ny sampana « cybercriminalité » eo anivon’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina.
Sambava. Raha ny fantatra tokoa mantsy, ankoatra ilay tovolahy iray voasambotra tany amin’ny distrikan’Andapa dia nisy tovolahy iray hafa ihany koa nosamborina sy nadoboka am-ponja tany Sambava. Resaka « coronavirus » hatrany no nanenjehana ity tovolahy ity, izay niampy fanalàna baraka olona tao anaty tambajotra sosialy. Nambaran’ilay tovolahy tao anatin’ny « compte facebook » mantsy fa hoe lehilahy, izay monina any Sambava no nolazainy fa voan’izany aretina izany. « Notsirihina tao amin’ny CSBII Sambava haingana ny fahasalaman’io lehilahy io saingy salama tsara izy ary tsy nihetsika tao Sambava na hoe nakany Chine. Niaiky ny fahadisoany ilay tovolahy tompon’ny « compte » fa nanao ny « publication » niteraka fanalàna baraka izay nitondra fanahiana be ho an’ny mponina tao Sambava », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.
Iray hafa koa. Fa ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa efa niroso tamin’ny fisamborana olona iray avy eto an-drenivohitra indray ireo tompon’andraikitry ny filaminana mahakasika ity resaka fanelezana vaovao tsy marina ity hatrany. Efa fantatra ny nisy azy ary efa niroso tamin’ny fisamborana ny zandary, hoy hatrany ny voalazan’ny Ltcol Herilalatiana. Omaly dia nentina natao famotorana ao amin’ny Toby Ratsimandrava ity olona nanely tsaho tamin’ny facebook ity. Mbola misy kosa ireo karohina fatratra amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavàna hatrany.
Miakatra amin’ny sehatra avo. Tsy mijanona intsony amin’ny hoe fanelezana vaovao tsy marina no mety hanenjehana ireo olona ao anaty tambajotra sosialy, milaza na mizara tsaho mahakasika ny resaka « coronavirus » fa mety efa sokajiana mihitsy ho fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena ny ataon’izy ireo, hoy hatrany ny fanazavàna azo avy amin’ity tompon’andraikitra ity. Araka izany dia hihamafy sy hihahenjana ny fanenjehana azy ireny. « Koa aoka re mba hajanona sy hiezaka tsy hanaparitaka vaovao tsy marim-pototra sy tsy ofisialy isika », hoy hatrany ny fanentanana avy eo anivon’ity Ministera ny serasera ity.
Na izany na tsy izany anefa, nanambara sy nanamarina iny ny Filoham-pirenena omaly hariva fa tafiditra teo amintsika ity valan’aretina ity ary efa olona telo no mitondra ilay tsimok’aretina. Mbola azo heverina ve, araka izany, raha ny mikasika ireo olona nampidirina am-ponja, hoe nanely tsaho izy ireo ?
m.L