- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTsaho tamin’ny Facebook : Tovolahy iray, isan’ireo tompon’antoka nosamborin’ny pôlisy

Tsaho tamin’ny Facebook : Tovolahy iray, isan’ireo tompon’antoka nosamborin’ny pôlisy

Nampiteraka savorovoro tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mponina teto an-drenivohitra ilay resaka fisiana olona mandeha fiara 4×4 sy manindrona vaksinin’ny pesta amin’ny ankizy mpianatra. Tsaho izay niely tao anaty tambajotra sosialy Facebook, ary vetivety dia nampiteraka korontana hatraiza hatraiza teto Antananarivo sy ny manodidina. Vokatr’izay, nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’ireo pôlisy misahana izany, ka fantatra fa tovolahy iray, 24 taona, no voasambotra. « Anisan’ny voarohirohy tao anatin’ity fanelezana vaovao tsy marina ity io tovolahy io », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Rehefa tena nozohina tokoa ilay resaka, raha ity loharanom-baovao ity hatrany, dia « fanaparitahana vaovao tsy marina niniana natao no niteraka ireny savorovoro ireny ». Antony tsy maintsy nidiran’ireto tompon’andraikitry ny filaminana ireto tamin’ny famotorana sy ny fikarohana izay mety tao ambadik’izany. Tsiahivina fa ny alakamisy teo, telo andro taorian’ilay fidirana ofisialy taorian’ny fialan-tsasatra vokatry ny pesta, no nisehoan’ity tranga ity, ary vetivety tokoa dia niely ilay tsaho. Saika ny ankabeazan’ny olona moa dia manana « facebook » avokoa, antony nanafaingana izay korontana nahazo ireo mponina izay. « Niaiky ny heloka vitany moa ity tovolahy ity, ary raha ny fanazavana nomeny dia zavatra noforoniny ka nampiany izay mba hitany teny amin’ny pejy hafa teny no navoakany mba hisintomany fotsiny ny fifantohan’ny rehetra any aminy. Niala tsiny tamin’ireo ray aman-dreny nitebiteby noho ny savorovoro nateraky ny “publication” nataony izy, ary misarika ireo tanora mitovy taona aminy mba hitandrina amin’ny fampiasana ireny tambajotran-t serasera ireny, ary hatao am-pahamendrehana sy araka ny tokony ho izy », hoy hatrany ny vaovao. Ny tsy fantatra hatreto dia hoe nisy naniraka sa mba aingam-panahin’ireo tanora lany atao anaty tambajotra sosialy no nanosika an’ity ranamana ity, hanaotao foana tahaka izao. Ny fanadihadiana moa mbola mitohy, ary inoana fa tsy ho ela ihany koa dia hisy namany ho voasambotra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici