Ho fankalazana ny faha-30 taonan’ny antoko mpihira « Tsantan’ny Famonjena », dia hisy fanompoam-pivavahana hatao amin’ny alahady ho avy izao ( 19 aprily) ao amin’ny Fjkm Ambohidroa Antehiroka. Ny tanjona dia ho fanampiana fampitaovana io antoko mpihira io, ka anisan’izany ny fanamafisam-peo. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fahafahan’ny « Tsantan’ny Famonjena » mitety fiangonana sy mitety faritra. Marihana fa efa nitsidika faritra maro teto amin’ny nosy izy ka anisan’izany i Mahajanga, Nosy Be, Toamasina ary Ankaramena. Marihana fa mandritra ny fankalazana ny faha-30 taona io, ny maraina dia fotoam-pivavahana, ny hariva kosa dia natokana ho amin’ny antsan-kira. Hisy ihany antoko mpihira maromaro hanotrona azy ireo amin’izany. Tsara ny manamarika fa Ramanandraibe Ihariravaka Richard no filohan’ny komitin’ny fankalazana.
Nangonin’i R.D