- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilSportsTsarahonena Andraisoro : Taxi mihosin-dra sy fatin’olona tao anaty tatatra

Tsarahonena Andraisoro : Taxi mihosin-dra sy fatin’olona tao anaty tatatra

Habibiana ! Hatairana tanteraka ny an’ireo mponina teny amin’iny faritra Tsarahonenana, ao amin’ny fokontanin’Andraisoro, iny omaly maraina. Fiarakaretsaka iray mantsy no hitan’ireo mponina tamin’ny lalan-kely anaty tanàna, miantsona sy tsy misy olona intsony tao anatiny. Ny tena nampihoron-koditra an’ireo nahita dia tena nihosin-drà tanteraka ity fiara kely ity. Tsy lavitra an’io fiara io ihany koa, lehilahy iray efa tsy nisy aina intsony ary vonton-drà no nisy nahita tao anaty tatatra, izay ankevitry ny mpamily an’ilay taxi ihany. Nampandrenesina avy hatrany ny tompon’andraikitra sy ny mpitandro filaminana.

Raha ny angom-baovao azo teny an-toerana dia tsy mponina eny an-toerana ary tsy fiara miantsona sy miasa eny amin’iny faritra iny ity fiarakaretsaka nihosin-dra sy ny mpamily azy hita faty ity. Araka ny filazan’ireo mahafantatra dia voalaza fa fiara miasa eny Ankorondrano eny izy io ary niasa alina ny andron’ny sabotsy teo ity mpamily ity, izay monina eny Ivandry. Mety hoe nanatitra olona teny an-toerana, ary tamin’izay no nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Azo antoka mantsy fa nisy namono ity mpamily 30 taona ity ary navelan’ireo izay namono azy teo ny vatana mangatsiakany sy ny fiara. Tsindrona antsy teo amin’ny faritra maro tamin’ny vatany no nahafaty azy, raha ny vaovao azo hatrany. Hatreto kosa, ao anatin’ny famotorana tanteraka ny amin’izay mety ho anton’ny namonoana azy ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Tamin’ny fotoana nahitana ny razana mantsy, raha ny vaovao azo hatrany dia mbola teny aminy avokoa ny fitafiany rehetra. Tsy nisy lasa ny vola tany aminy saingy ny taratasin’ny fiara no tsy hita izay nalehany, araka ny angom-baovao azo hatrany. Tsy mbola fantatra mazava araka izany izay lasan’ireo olon-dratsy. Efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao, izay sahanin’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava. Ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy ity kosa dia efa nalain’ny tompon’andraikitra ary navantana eny amin’ny tranom-paty. Ilay fiara kosa nentina nihazo ny biraon’ny mpitandro filaminana ho amin’ny fitsirihana rehetra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici