- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTsarahonenana Andraisoro : Raikitra ny korontana, trano 11 noravaravaina

Tsarahonenana Andraisoro : Raikitra ny korontana, trano 11 noravaravaina

Hatairana ny an’ireo mponina an-jatony maro teny amin’iny faritra Tsarahonenana omaly. Nigadona tampoka teny an-toerana mantsy ny mpitandro filaminana marobe, niaraka tamin’ny vadin-tany sy andian’olona maromaro ihany. Nilaza ireto farany fa hanatanteraka didim-pitsaràna izy ireo ka tsy voatery handrava trano, izay miorina eo ambonin’ilay tany. Trano mitotaly eo amin’ny 11 eo ho eo, no voaray ao anatin’izany fandravàna izany. Trano izay hipetrahana fianakaviana am-polony maromaro ary mety miahy olona an-jatony any ho any. Mazava ho azy fa nitsipaka tanteraka ity zavatra nanjo azy ireto ity ireo mponina. Ka vetivety dia feno olona nitangona sy nimenomenona teny an-toerana. Nambaran’ny sasantsany tamin’izy ireo fa efa amam-polony taonany maro izy ireo no teo amin’io toerana, ka mahagaga ihany ny fisiana olona izay milaza amin’izao fa tompon’ny tany ary manala sy mandrava ny tranon’izy ireo. Etsy andanin’izay nisy amin’ireo mpandrava no avy hatrany dia niroso tamin’ny asa nasaina nampanaovina azy ireo. Toa tsy nisy indrafo fa nibata izay entana tavela tao amin’izay trano noravàna ary nanipitsipy izany teny ivelany. Tranga izay nampihetsika tanteraka ny hatezeran’ireo mponina. Velona teo ny korontana, ary tonga hatrany amin’ny fanakanana iny lalan-tokana mihazo ny fokontanin’Andraisoro izany tabataba izany. Voatery nanampy isa ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana ary niezaka nandamina ireo olona. Tsy fantatra izay tena nifanarahan’izy ireo fa nilamina ihany ireto andian’olona ireto, rehefa nisy ny fifanazavàna. Na izany aza anefa dia nanao antso avo izy ireo fa efa ela ihany no nanajariany sy nipetrahany teo kanefa dia izao misy mibodo sy maka tsotr’izao izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici