- Publicité -
samedi, juillet 26, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsarahonenana Betainomby Toamasina : Saron’ny zandary ireo mpidoroka sy mpivarotra rongony

Tsarahonenana Betainomby Toamasina : Saron’ny zandary ireo mpidoroka sy mpivarotra rongony

Nanao ny ezaka rehetra hisamborana ireo mpivarotra rongony sy mpanangona izany eto Toamasina ary ireo mpifoka ihany koa ny zandary avy amin’ny “compagnie territoriale” Toamasina. Nisy vokatra ilay ezaka natao mikasika izany, ka saron’izy ireo tao Tsarahonenana Betainombo Toamasina ilay trano fivarotana sy fidorohana ny rongony izay ataon’ireo olona mpidoroka izany hoe “ghetto”. Tratra tamin’izany ireo efa-dahy mpidoroka sy mpivarotra izany ao an-toerana, izany nambaran’ireo zandary fa izay no mahatonga ireo asan-jiolahy tsy mifarana manodidina an’i Toamasina. Raha ny fanazavana dia tao anaty fifohana rongony mihintsy izy ireo no tratra ary tena mbola mamon-drongony ihany koa. Araka ilay fanazavana hatrany dia toerana fampiasan’ireo mpidoroka rongony moderna toy ny “heroine” sy ny “cocaine” koa ity toerana tratra ity. Avy hatrany dia nampidirona toby ireto mpifoka sy mpivarotra rongony ireo ary nanaovana fanadiadiana. Hiakatra fampanoavana tsy ho ela koa izy efa-dahy mandram-pisamborana ireo namany hafa. Nanafatra ny zandary mikasika ity fifohana rongony eto Toamasina ity, fa tsy maintsy fongorona izy ireny fa tena mahatonga tsy fiaminanan’ny Tanana mihintsy ny mpifoka azy ireny. “Namanao ny zandary”, hoy izy ireo ka aza matahotra ny mitoroka amin’izy ireo raha mahita toe-javatra tahaka ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici