- Publicité -
mardi, décembre 30, 2025
AccueilFaits-DiversTsarahonenana : Lasan’ny jiolahy mitam-basy, ny volan’ny épicerie

Tsarahonenana : Lasan’ny jiolahy mitam-basy, ny volan’ny épicerie

Nirefotra indray ny basy tetsy Tsarahonenana ary lasa indray ny vola matin’ny mpivarotra enta-majinika iray. Manodidina ny telo ny isan’ireo olon-dratsy izay mitazona fitaovam-piadiana ka “épicerie” izay teo am-panidiana ny tsena no notafihana. Tsy alina akory ny andro, satria manodidina ny tamin’ny fito ora teo no nisehoan’izany fanafihana mitam-piadiana izany. Matetika miverina ny fanafihana harivariva eny amin’iny faritra iny, indrindra eo Andraisoro. Nisy fotoana aza dia nasesin’ireo olon-dratsy ny mpivarotra, na izany mpambongady na mpivarotra enta-majinika teny an-toerana. Tsy nihazakazaka akory izy ireo rehefa nitsoaka avy eo, fa dia nandeha nilamina teny amin’ny arabe ihany. Ny antony dia satria manana basy an-tànana izy ireo. Tsy nisy sahy nanaraka ihany koa ny olona vokatr’izany. Dikan’izany rehetra izany, raha mbola miparitaka ny fitaovam-piadiana, dia mbola ho sarotra ny hifehy ny fandriampahalemana eto an-drenivohitra. Mila mazava ny pôlitika hifehezana ny basy…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser