- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversTsarahonenana-Mahitsy : Ramatoa 65 taona voaratran’ny sabatra nifanadrina tamin’ny jiolahy

Tsarahonenana-Mahitsy : Ramatoa 65 taona voaratran’ny sabatra nifanadrina tamin’ny jiolahy

Tsy nahomby ny teti-dratsin’ireto jiolahy roa saika hangalatra môtô tao amin’ny tokantrano iray teny Tsarahonenana, ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Noheverin’ireto mpanao ratsy ireto fa tsy nisy olona tao amin’ilay trano ka tonga dia niditra an-keriny tao izy ireo rehefa avy namaky ny varavarana. Tsy nampoizin’izy ireo fa tao ilay ramatoa 65 taona. Vao nahita izany ilay ramatoabe dia niezaka nanohitra ka nisambotra ny sabatra teny an-tanan’ny iray tamin’ireto jiolahy. Voarain’ity ramatoa tamin’ny lelany ilay sabatra ka nandratra ny tanany. Na izany aza anefa, tsy nikasika azy ireto mpanafika fa tonga dia nirifatra nandositra tsy nahazo na inona na inona. Niantso vonjy avy hatrany moa ity ramatoa ity ka vetivety foana dia vory ny fokonolona ary nitondra azy haingana teny amin’ny hôpitalin’i Bejofo. Tonga teny an-toerana ihany koa ny zandary ka nanao ny fanarahan-dia ireo mpangalatra. Mbola tsy nahitam-bokatra anefa izany hatreto. Ny fanadihadiana nataon’ny zandary no nahalalana fa misy môtô mipetraka ao amin’io trano io, ka izay no notetehin’ireto olon-dratsy halaina. Araka ny loharanom-baovao dia mirongatra izay tsy izy ny vaky trano any amin’iny kaomininana Mahitsy iny tato ho ato na dia eo aza ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana manao fisafoana amin’ny alina. Ireto farany izay manentana hatrany ny tokony hanamafisana ny andrimasom-pokonolona.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici