Hain-trano mahatsiravina no nitranga teny Tsarahonenana, ambany kelin’Ampasampito, omary maraina. Trano am-polony maro, niaraka tamin’ny entana isan-karazany no indrisy fa zary lavenona sisa. Ankoatry ny fitaovana kila hotohoto anefa dia fantatra ihany koa fa aina iray no nafoy tao anatin’izay hain-trano goavana izany ary olona iray no naratra.
Raha ny angom-baovao azo dia tokony ho tamin’ny valo ora maraina teo ho eo no nirehitra ny afo, izay niainga tao amin’ny mpivaro-kazo iray, teny an-toerana. Vetivety dia nihitatra izany, noho ity toetr’andro ity, moa ny somary nanano sarotra ihany koa ny famonoana sy ny fifehezana izany teny an-toerana noho ny rano tsy nisy, mandram-pahatongan’ireo mpamonjy voina. Nandramby avy hatrany ireo trano manodidina ny afo ary nandevona azy ireo sy ireo fitaovana tao anatiny tsikelikely. Tamin’ny iray tamin’ireo trano nihitaran’ny afo no nisy an’ity rangahy lehibe 75 taona namoy ny ainy ity. Noho ny fahanterany dia tsy afaka namonjy ny ainy izy, raha ny voalaza hatrany ary voafandriky ny afo tao. May hatramin’ny 90 isan-jaton’ny tenany ary tsy nisy azo namantarana azy intsony, hoy ireo nanatri-maso. Ankoatr’ity lehilahy lehibe ity dia nisy renim-pianakaviana iray ihany koa naratra, vokatry ny haitarana sy fitsoahana. Efa novonjena haingana, nentina nihazo ny tobim-pahasalamana moa ity farany ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.
Raha ny angom-baovao hatrany dia tselatr’afo vokatry ny « court-cicuit » tao amin’io fivarotan-kazo io no niandohan’ny loza. Mazava ho azy, efa zary maina avokoa ireo hazo tao amin’io toerana ka nahazo aina mora dia mora ilay firehetana. Fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny afo no tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina, nampian’ireo mpitandro filaminana, na ny teo anivon’ny polisim-pirenena izany na teo anivon’ny zandary, izay niaraka nisalahy tamin’ireo fokonolona niezaka nifehy ny afo. Nisedra olana rahateo ireo mpamono afo noho ny olan’ny rano teny an-toerana. Na izany na tsy izany aza, adim-pamantaranandro maromaro taty aoriana, vao tena hoe voafehy tsy hihitatra intsony ny afo.
m.L