Tsy milaky soroka ireo mpitandro ny filaminana eto Toamasina, indrindra ny ao amin’ny zandarimariam-pirenena, amin’ny fisamborana ireo mpanakorontana ny fiarahamonina eto Toamasina. Voasambotra tao Mangarivotra ireo andian-jatovy mpangalatra anatin’ireny “salle des jeux video” ireny. Fantatra koa izao fa misy mpandray ireo entana angalarinin’ireo andian-jatovo ireto ka tao Mangarivotra ihany koa ny tenany izay roa lahy no mpandray izany. Tratra teny amin’izy ireo nandritra izany ny “Ecran Plat” Samsung 32’’, ny “console PS3 roa ary “Manette sans fil” miisa valo nangalarin’ireto andian-jatovy ireto. Efa manao fakana am-bavany ireto olona tratran’ny zandary ireto izy ireo amin’izao, tsy ho ela dia atolotra ny fitsarana ny raharaha hamaritra ny sazy tokony ho azon’izy ireo tamin’ny halatra nataon’izy ireo avy. Ankoatra izany dia voasambotry ny zandary ihany koa ireo mpanendaka eny amin’ny MIAMI amin’ny andro alina, ka lasobatra amin’izany ireo mpampanofa tena sy ireo vehivavy mandeha irery. Lasan’ireto andian-jiolahy efatra ny poketra sy finday mandritra izany. Voasambotry ny zandary tsy lavitra teo izy efa-dahy mpanendaka, ka tafaverina tamin’ireo tovovavy voaendaka ny zavany nandritra izany. Nilaza moa ny zandary fa Toamasina milamina sy mandry fahalemana no tanjona amin’izao, indrindra amin’izao mpanao fialan-tsasatra maro tonga eto Toamasina izao.
Malala Didier