- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversTsaralalàna : « Ambulance » nitondra marary nivadika

Tsaralalàna : « Ambulance » nitondra marary nivadika

Ny alin’ny zoma teo no nisehoan’ilay lozam-pifamoivoizana. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina, nisy fiara kely iray marika « opel » raha araka ny fanazavan’izay nanatri-maso, nandeha mafy ary nifatratra tany amin’ilay fiara mpitatitra marary. « Mafy ny fifandonana ary nivadika ambony ambany ilay ‘ambulance’ vokatr’izany » raha ny fitatitry ny olona izay mbola nitangorona teo. Ny mpitondra ilay fiara mpitondra marary indray dia nanazava fa mba tsy nisy naninona ny olona nentiny. Tsy dia nisy akony firy tamin’ny marary ilay fifandonana fa ny fiara kosa no simba. Raha vao tafavoaka ny olona tao anatiny dia naverina tamin’ny laoniny avy hatrany ilay fiara, izany hoe natosika mba hiverina amin’ny tany ny kodiarana. Nalaky tonga ihany koa ny mpitandro ny filaminana, ny avy ao amin’ny pôlisy, satria tsy mifanalavitra eo ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany, tokony ho eo amin’ny zato metatra tamin’ny nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana. Ireo no nampandre ny kaomisaria foibe izay tonga naka ny mpamily sy nijery ifotony ny momba ilay fifandonana. Nentina tany amin’ny paositry ny pôlisy nony avy eo ny mpamily ilay fiara kely mba hatao fanadihadiana. Tao anatin’ny fifamoivoizana izay nanahirana mihitsy no nitranga ny loza satria tamin’io fotoana io dia tapaka ny lalan’Analakely. Mainka koa izany nitarika fitohanana tamin’ny alim-be teo an-toerana. Ny nahagaga ny maro dia mbola misy mahavita mandeha mafy ihany nefa dia efa ao anatiny lalana tery sy feno fiara, tamin’iny alim-be iny. Ny sasany nilaza fa mety ho efa mamo ilay nitondra ny fiara kely, zoma rahateo ny andro. Tsy voamarina teo an-toerana moa izay fa ny pôlisy nanokatra fanadihadiana no mety mahafantatra bebe kokoa an’izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici