- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTsaralalàna : Azo sary ny mpandroba, fisamborana sisa

Tsaralalàna : Azo sary ny mpandroba, fisamborana sisa

Feno tsara ny horonan-tsary izay nalain’ny olona iray monina eny amin’ny manodidina izay leon’ny asan-jiolahy. Nanapa-kevitra ny nandray andraikitra izay mifanandrify azy izy dia ny fangalàna sary miafina. Feno ary tena tsy nazava ny voarakitry ny horonan-tsariny mahakasika ny fisian’ny andian-jiolahy eo an-toerana. Tamin’ity indray mitoraka ity dia fiara mpitondra entana izay misarona labasy ny aoriana no nataon’ireo olon-dratsy lasibatra. Efa nojapiana ny fiara izay mandeha eny an-dàlana ary notsirihina ny tao anatiny. Ny ambiny amin’ireo mpandroba kosa dia manaraka eo amin’ny roa metatra manodidina ary mitsirika sao misy mahita. Miditra an-tsehatra avy hatrany raha vao mitranga ny olana. Azo sary avokoa izany rehetra izany ary raha kely indrindra dia olona efatra eo ny ao anatin’ilay tambajotran-jiolahy. Azo heverina ho feno ny porofo, ny fisamborana sisa no handrasan’ny olona.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici