Tsy namana intsony ny alina, raha ny eto an-drenivohitra ! Lehilahy iray sahabo ho 35 taona any ho any indray mantsy no hitan’ny olona nihoson-drà tanteraka tetsy Tsaralalàna, ny alarobia alina teo. Mbola nisy aina ity farany ary nentina notsaboina haingana teny amin’ny hôpitaly. Araka ny fanazavana azo, dia niharan’ny fanendahana teo amin’io toerana izy tamin’io fotoana io. Telo lahy no voalaza fa nanodidina azy. Nandeha irery tamin’iny lalana iny ity lehilahy iray ankevitry ny handeha hamonjy fodiana. Tamin’izay no nisy telo lahy nifanena taminy, toy ireny olon-tsotra ireny ihany. Vantany vao nifanojo anefa, avy hatrany dia nohodidin’ireto olon-dratsy ity lehilahy ity. Somary nanohitra azy ireo izy ary tsy nanaiky mora izay zavatra notenenina azy. Hany ka tsy nisalasala nampiasa ny antsy teny an-tanany ny iray tamin’izy ireo. Teo amin’ny lohany avy hatrany no niantefan’izany zava-maranitra izany ka nitolefika moramora ilay ranamana. Nandositra avy hatrany kosa ireo olon-dratsy rehefa avy naka izay zavatra rehetra teny amin’ity olona lasibatra ity, namela azy irery tao anaty rà mandriaka. Olona sendra nahita no nibata sy nitondra azy hotsaboina. Fantatra fa efa eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha amin’izao.
m.L