- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversTsaralalàna : Fipoahana noho ny fandravana trano nanaitra ny manodidina

Tsaralalàna : Fipoahana noho ny fandravana trano nanaitra ny manodidina

Nisavoritaka ny teny amin’ny manodidina an’i Tsaralalàna iny omaly raha nadre fipoahana toa maherivaika omaly maraina tikony ho tamin’ny 10 ora teo ho eo. Maro ireo nirohotra namonjy ny toerana niavian’ilay feo, izay tsy inona akory fa firodanan’ny rindrina. Fantatra teo fa ilay trano be iray etsy Tsaralalana, fantatry ny maro amin’ny hoe Hotel Sun N Shade, na koa Z&Z Center teo aloha, eo amin’ny toerana nisy ny tranombarotra ROSO fahiny, eo ampitan’i NAZA Electronic no narodana. Mitorajofo ny vovoka, tena tsy ifankahitana. Araka ny fantatra dia efa nahazo alalana horavana (Autorisation de démolition) hatry ny ela io trano io saingy izay ny tompon’andraikitra vao niroso tamin’izany. Araka izany dia olona efa manam-pahaizana amin’io asa fandrodanana io no manatanteraka izany ka tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy na dia mafy toy izany aza ny fipoahana heno.

T.M..

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici