- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsaralalàna : Karàna iray nisy naka an-keriny, navotsotra tetsy Ankorondrano

Tsaralalàna : Karàna iray nisy naka an-keriny, navotsotra tetsy Ankorondrano

Fangalàna an-keriny indray ! Teratany karàna iray no nisy naka an-keriny ny alin’ny alakamisy lasa teo tetsy Tsaralalàna raha iny handeha hamonjy ny fodiany iny. Tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany teo no nisehoan’izany, teo ambany mason’ireo mponina teny amin’iny faritra Tsaralalàna iny. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso dia fiara tsy mataho-dalana, marika Toyota Land Cruiser, miloko mainty no avy hatrany dia nijanona tampoka teo anoloan’ity teratany karàna ity. Telolahy no tao anatin’ity fiara ity, izay mirongo basy, manao saron-tava ny roa. Tao anatin’ny segondra vitsy no nanaovan’izy ireo ny raharaha. Nodarohana, nobataina ary noterena hiditra tao anatin’ity fiara 4×4 mainty ity fotsiny ity teratany karàna ity, ary dia niridana nihazo ny lalana Ankorondrano iny. Tsy lasa lavitra tamin’izany toerana izany anefa ireto mpaka an-keriny dia natsipy sy navotsotra teo Ankorondrano ity teratany karàna ity. Tsy fantatra mazava araka izany izay zava-nitranga tao anaty fiara tao. Angamba diso olona saika nalaina an-keriny ireto olon-dratsy ireto, hoy ny fiheveran’ny maro, ka dia izao navotsotra izao ilay tsy izy. Vao andro vitsy dia vitsy tokoa izay no nitrangan’ilay fakàna an-keriny an’ilay tovolahy teratany karàna tetsy Andranomena, dia izao saika nisy lasa izao indray ny iray tamin’izy ireo. Ny marainan’io anefa io no nisy ny fihetsiketsehana nataon’izy ireo ho fiadiana amin’izany trangana fakàna an-keriny izany teny Ambatobe, toeram-pianaran’ilay tovolahy lasan-dry zalahy. Raha ny mahakasika ity farany dia fantatra fa mbola tsy hita hatreto. Tsy mbola nisy ihany koa anefa fitakiana vola ho takalon’ny ainy raha ny angom-baovao azo hatrany. Na izany na tsy izany anefa dia mbola manohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici