- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTsaralalàna : Maorisiana nisy naka an-keriny

Tsaralalàna : Maorisiana nisy naka an-keriny

Tao anaty fiarany izy no nalain’ny jiolahy an-keriny. Vao avy niasa teo amin’ny manodidina teo ihany. Ny harivan’ny alarobia teo no nitrangan’ity kidnapping ity. Mpiasa manana andraikitra ambony eo anivon’ny orinasa iray eto an-drenivohitra izay eo Tsaralalàna no misy ny foibeny, ity teratany Maorisiana nisy naka an-keriny ity. Rehefa nandeha ny fijirihana eran’Antananarivo momba ity raharaha ity dia hita teny Ambatobe ilay fiara 4X4 izay an’ilay olona nalaina tamin-kery ihany. Raha araka ny fantatra dia tsy mifanalavitra amin’ilay toerana nahitàna ny fiara ihany no misy ny fonenan’ilay Maorisiana, izany ho samy teo Ambatobe ihany. Hatreto dia tsy mbola nisy ny antso nifaovan’ireo jiolahy sy ny olona akaikin’ilay nalaina an-keriny. Na nisy rahateo aza izany, matetika no tsy hampahafantarina olona, eny hatramin’ny mpitandro ny filaminana aza, noho ny tahotra sao vonoin’ny olon-dratsy ilay olona. Ny tsy fampandrenesana ny mpitandro ny filaminana matetika dia mainka koa mampahazo vahana ity karazana asan-jiolahy ity. Ary tena voaporofo tokoa izany tato ho ato satria lasa sesilany ny fakàna an-keriny, mitady hitovitovy amin’ny antontan’isan’ny fanafihana mitam-piadiana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser