- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversTsaralalàna : Maorisianina hita faty tanaty hôtely

Tsaralalàna : Maorisianina hita faty tanaty hôtely

Teratany maorisianina tokony ho 40 taona any ho any, no hita faty tanaty trano fandraisam-bahiny, ny sabotsy lasa teo, teny Tsaralalàna teny. Hatairana tokoa ny an’ireo mpiasan’ity trano fandraisam-bahiny raha nahita ity lehilahy iray nivalampatra sy tsy nisy aina intsony, raha iny izy handeha hanadio ny trano iny. Nantsoina haingana teo ireo tompon’andraikitra ary ireto farany no niantso ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo. Nisy namono ? Raha ny angom-baovao azo, dia toa hoe fahafatesana tsotra no nahazo azy. Tamin’ny fitsirihana ny razana teny an-toerana nataon’ireo mpitsabo mantsy, raha ny vaovao hatrany dia hita fa tsy nisy mangana na faritra naratra ny vatany. Saingy teo akaikin’ny razana kosa dia nahitana fitsindronana na « seringue », izay mbola tsy fantatra fa natao inona na natao inona ? Araka izany ny tombatombana rehetra, dia milaza fa mety hoe fijanonan’ny fo tampoka na fiakaranan’ny tosi-drà no nahazo ity teratany vahiny ity, antony nahafaty azy. Na izany na tsy izany aza anefa, ny fitsirihana lalina na « autopsie » ihany no hahafahana mamantatra izany. Etsy andanin’izay ihany koa, dia fantatra fa efa am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ahitana ny marina. Nisy aina nafoy tao  tamin’ny fomba mampiahiahy  mantsy ka tsy maintsy sokafana ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici