- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversTsaralalàna : Mpamily taxibe, nisandoka ho pôlisy

Tsaralalàna : Mpamily taxibe, nisandoka ho pôlisy

Tonga amin’ilay fitenin’ny tanora ity hoe « nijabaka » ! Mpamily taxibe iray ao amin’ny zotra 114 no nifamaly sy nanevateva  pôlisy tetsy Tsaralalàna rehefa voasakana noho ny tsy fanarahan-dalàna nataony. Nilaza fa « inspecteur de police » moa ranamana ary nampiseho karatra maha mpitandro filaminana azy mihitsy. Rehefa tena nojerena anefa dia hay sandoka ity karatra nasehoany.

Ny zava-niseho araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena : fiara mpitatitra iray mampitohy an’Analakely sy Ambohijanahary no voasakan’ny pôlisy teo am-pandikàna ny lalana mifehy ny fifamoivoizana. « Nampahafantarina ilay mpamily taxi-be tamin’ny fandikan-dalàna tsy nety nataony saingy ireo polisy nanao ny asany indray no notevatevainy ». Tamin’izay ihany koa nampisehoany an’ilay karatra maha « inspecteur de police » azy. « Nampisy fifamaliana teo aminy sy ireo polisy ary tonga hatrany amin’ny fanavaona teny mahery teo amin’ny roa tonta . Marihina fa fampiantsiana am-bava no niseho fa tsy nisy ny fikasihan-tanana tamin’ilay mpamily ary miaiky izany ity farany ». Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ireo mpitandro filaminana moa ity mpamily ity ary tamin’ny fanadihadiana azy no nahafantarana fa tsy pôlisy velively ingahirainy. « Karatra polisy sandoka no nampiasan’ity mpamily ity saika hanindriana ireo Polisy manao ny asany » hoy ny fanazavàna. Izany tokoa ilay mitady tombony ka natombony ! Raha tokony ho sazy tsotra no azo, izao ka lasa midanadana ho azy ny varavaran’ny fonja …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici