Tsy naharitra ny mena miraviravy ! Mpanampy an-trano roa, lehilahy sy vehivavy no voatery nosamborin’ny pôlisy tetsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany Analakely, noho izy ireo voarohirohy tamina resaka fangalaram-bola tao an-tokantranon’ny mpampiasa azy. Vola vahiny mitentina eo amin’ny 5300 euros no voalazan’ny loharanom-baovao avy amin’ny pôlisy, fa nangalarin’izy ireo. Volabe tokoa, satria raha avadika ho vola gasy izany dia manodidina ny eo amin’ny 20 tapitrisa ariary eo ho eo. Ny sabotsy lasa teo no nosamborina teny Tsaralalàna ireto mpanampy an-trano ireto, taorian’ny fitoriana napetraky ny tompon-trano ; izay teratany vahiny. « Misy vola vahiny maromaro tao amin’ny efitranony. Tsikaritr’ireto mpiasa an-trano ireto anefa izany ka rehefa mivoaka ny trano ny tompon-trano, dia nangalan’izy ireo tsikelikely ireo vola tahirin’izy mivady » hoy hatrany ny vaovao. Nosokafana teo no ho eo ihany ny fanadihadiana ary niantefa avy hatrany tany amin’ireo mpanampy ireto ny ahiahy rehetra. « Fantatra tamin’izany, fa ireto mpiasa tao an-trano roa irery ihany no mahalala ny fisian’ireo vola ireo tao » raha ny fanazavana azo. Ny marainan’ny sabotsy nivalona teo ireto farany no nosamborina ary nentina natao famotorana tany amin’ny biraon’ny kaomisaria. Tamin’izany no niaiken’izy ireo ny heloka vitany : izy ireo tokoa no nahavita naka io volabe io ! « Efa nividianany entana maro sy môtô roa izany vola izany » raha ny vaovao azo hatrany. Ny ambin’ny vola kosa tsy fantatra na nataon’izy ireo aiza na aiza ary mbola mitohy ny fikarohana izany, hoy ny fanazavana azo. Ireto entana novidian’izy ireo moa, dia mazava ho azy fa naverina tamin’ny tompon’ny vola. Ekena tokoa, fa misy amin’ireo mpanampy an-trano no tena mahatoky amin’ny zavatra rehetra, fa misy ihany koa anefa ireo olon-dratsy ; izay hangalatra fotsiny no masaka ao an-tsainy. Iray volana ihany dia milaza tsy tamana intsony ny sasany kanefa efa nangorona izay azo nahorona rehetra tao an-tranon’ny mpampiasa azy, raha ny re amin’ny fitarainana maro etsy sy eroa. Ny dikany, mila mailo hatrany ary tsy ny zavatra rehetra ao an-trano akory dia hampahafantarina an’izy ireny avokoa …
m.L