Rangahy manodidina ny 30 taona eo no tratran’ny olona nanao sinto-mahery tamin’iny faritra Tsaralalàna iny omaly tokony tamin’ny 1 ora tolak’andro teo. Tezitra ny olona ka namono sy nidaroka avy hatrany ity rangahy ity. Nitsikasinkasina tanteraka tamin’ny tany ilay lehilahy ,ary naratra ihany koa. Araka ny nambaran’ireo olona nanatrika dia voalaza fa efa asany ny fanaovana sinto-mahery toy izao. Saika hanao ny fomba mahazatra azy izy ity kanjo izao tra-tehaka izao. Raha ny hevitry ny fokonolona dia tokony hodorana velona izy saingy nisy kosa ny tsy nanaiky izany fa nangataka ny hamaizana azy fotsiny. Menatra tanteraka ity farany ary vaky nandositra avy hatrany.
FINARITRA.RAKOTO(Stagiaire)