- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversTsaralalana : Mpibizina vato voapoizina, very ny 60 tapitrisa

Tsaralalana : Mpibizina vato voapoizina, very ny 60 tapitrisa

Olona iray no nahita faisana tamin’ny raharaham-barotra vato nataony, tamin’ny sabotsy teo teny amina hotely iray teto an-drenivohitra. Mpibiizna vatosoa io olona io, araka ny loharaom-baovao voaray taty amin’ny gazety no very volabe sy ny vatosoa tany aminy. Betsaka ihany ny vola lasan’ireo olon-dratsy, hoy hatrany ny vaovao, satria dia mahatratra hatrany amina 60 tapitrisa ariary izany. Tsy ireo ihany no very fa nisy vatosoa hafa ihany koa lasan’ireo olo-dratsy. Nifamotoana tao amina hotely iray teny Tsaralalana ny mpividy sy ny mpivarotra. Ho an’ny mpanara-baovao, zavatra tsy mahagaga intsony izany aferam-bato izany eny amin’iny toerana iny miitatra hatreny Analakely. Samy tsy misy taitra araka izany ny olona. Ilay toerana nifanaovan’ny mpivarotra sy ny mpividy koa tany anaty efitrano. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa niaraka nisotrosotro teo ny andaniny roa. Toa tsy nanampo na inona na inona ilay nivarotra. Hay, araka ny fanttara, efa nanomana zavatra hafa ny sasany. Tsy fantatra marina moa izany fa raha vao avy nisotro izay zavatra naroso ilay mpivarotra dia natory ary tsy nahatsiaro tena mihitsy. Izany no nararaotin’ny sasany nangalana ny vola 60 tapitrisa ariary tany aminy sy ireo vatosoa. Nahafantatra ny fandehan-javatra ny mpitandro filaminana ka nisy ny fanadihadiana nisokatra avy eo. Amin’izao fotoana izao efa misy olona iray nosamborina amin’ity raharaha ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser