Efa vatana mangatsiaka sisa no tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana.
Tsaralalàna, vao manomboka maizina fotsiny ny andro dia efa mifanaretsaka ireo tovovavin’ny alina. Tsy mila hotantaraina betsaka ihany intsony angamba ny mampiavaka an’ity faritra iray eto an-drenivohitra ity. Eny, tsy izy irery intsony aloha amin’izao. Etsy andanin’izay, efa tsy atoro voanjo hadiana ihany koa ireo teratany vahiny tonga mandalo eto amintsika. Mba miserana kely eny indraindray, manandrana ny “tsiron’ny tany”. Ary angamba mety ho izay mihitsy no tranga niseho tamin’ity teratany vahiny iray, ny talata alina, hifoha alarobia lasa teo. Lehilahy manodidina ny 45 taona eo ho eo. Raha ny loharanom-baovao dia hoe avy atsy amin’ny Nosy rahavavintsika avy atsy ity rangahy ity ary mandalo fotsiny ihany fa tsy mipetraka eto akory. Zava-doza anefa no niseho fa torana tao anatina trano fandraisam-bahiny iray, teny Tsaralalàna teny, ity lehilahy ity, ary tsy niverina intsony ny ainy. Fantatra anefa fa niaraka tamina vehivavy iray izy tao amin’izany efitrano izany, ka io no nitondra azy malaky namonjy toeram-pitsaboana. Indrisy anefa fa efa vatana mangatsiaka no tonga tany amin’ny hôpitaly, raha ny angom-baovao hatrany. Hatreto aloha dia tsy fantatra mazava hoe inona marina no tena nahafaty ity ranamana ity. Voalazan’ny olona nanatri-maso fa niaraka tamin’io namany tovovavy io izy no niditra tao amin’ny trano fandraisam-bahiny. Mbola tsy fantatra ihany koa izay tena nitranga tao anaty efitra tao fa ny fikoropahan’ity namany ity no nahataitra ny olona. Nambarany tamin’izany fa torana tampoka teo, tsy nahatsiaro tena ity lehilahy ity tamin’io alina io. Novonjena nentina namonjy mpitsabo haingana. Saingy mety ho efa ho teny an-dalana na tamin’ny ora sy fotoana tsy nahatsiarovany tena intsony no tsy nitempo intsony ny fony. Tombanana ho aretim-po no mety nahazo ity teratany vahiny ity. Tsy nahitana ratra na mangana mantsy ny vatany, rehefa nozahan’ny mpitsabo. Vinavina ihany anefa izany, fa tsy misy afa-tsy fizahana ao anatiny no hahalalana bebe kokoa ny antony tena nahafaty ity lehilahy ity. Ilay vehivavy niaraka taminy ity no fantatra fa mikarakara ny razana amin’izao fotoana izao. Toe-javatra mampalahelo, ilana fitandremana tokoa.
m.L