- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversTsaralalàna : Tsaramonina Ravony Jean Victor no « commissaire central » vaovao

Tsaralalàna : Tsaramonina Ravony Jean Victor no « commissaire central » vaovao

Notanterahina androany 15 jolay 2016, tamin’ny 9 ora maraina tao amin’ny   Commissariat central Tsaralalàna,  ny famindram-pahefana  teo amin’ny Commissaire Divisionnaire de Police, Ratsihombahina Germain (commissaire central teo aloha) sy ny Commissaire Principal de Police Tsaramonina   Ravony Jean Victor (commissaire central  vaovao).

Nanambara ny commissaire central vaovao  fa efa betsaka ny vita  ary mbola hiezaka hanao misimisy kokoa noho ny teo aloha.Tsy handraraka ilo mby an-doha amin’ny fanatratrarana  ny vina napetraky ny minisitera ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy ka tsy maintsy hisy  ny fanatsarana sy fanavaozana ny fomba fiasa  mba hahazoana vokatra tsara miantefa  mivantana  any amin’ny vahoaka. Notsindriany ny ezaka  hatao amin’ny fomba fiasa  momba ny fandriampahalemana sy ny fandrindrana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra mba ho andry iankinan’ny fandriampahalemana hatrany ny Polisim-pirenena.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici