Toerana izay isan’ny tsy dia atahorana amin’ny tsy fandriam-pahalemana loatra ity kartie ity noho ny fisian’ny birao foiben’ny pôlisy misahana ny boriborintany misy eto an-drenivohitra. Kanefa dia mbola sahin’ny mpandroba nanatontosàna ny asa ratsiny hatrany. Ny alin’ny talata teo dia nisy andian-jiolahy namaky ny tranon’ny lehiben’ny fokontany teo Tsaralalàna. Tao amin’ny lakozia izy ireo no tafiditra, raha araka ny fantatra, ary nataony najifa avokoa ny kojakoja tao. Omaly ihany dia nipetraka ny taratasy fitoriana mahakasika ity raharaha ity.
D.R