- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversTsaramasay : Lehilahy maty nananton-tena

Tsaramasay : Lehilahy maty nananton-tena

vetivety dia vory marobe ny olona.
vetivety dia vory marobe ny olona.

Ny marainan’ny alahady teo ,nivarahontsana ny fianakaviana  raha nahita ity raim-pianakaviana maty niahantona tamin’ny tady tao an-trano. Lehilahy manodidina ny efapolo taona any ho any ity raim-pianakaviana maty ity ary manambady miteraka efatra, tsy hay marina ny tena antony . Nandeha nivavaka maraina mantsy ireto fianakaviany fa ity rangahy kosa nisafidy ny hijanona tao an-trano, teo no nisehoan’ny loza raha iny ry zareo niverina tao antrano iny.

Nikoropaka ny iray trano nahita izany, ambony rihana mantsy no misy ny tranon’izy ireo ka niezaka ny handeha hamoha ny tady tamin’ny tendany, nahatsapa anefa ny fianakaviana fa efa maty ity rangahy . Ka  hany sisa azo natao dia ny niantso ireto manampahefana hizaha ny toe-draharaha.Tsy dia mba nisy olana teo amin’ny fiarahamonina fa mifandray teo amin’ny manodidina. Nisy namany ary tafaresaka taminay ka nanambara fa vao ny sabotsy hariva izy ireo no nihaona teny an-tanàna, ary tsy nahitana endrika maloka na malahelo.Raha ny vaovao azo teny an-toerana moa dia fanindroany  izao no nanaovany ity famonoantena ity fa izao fanindroany izao no nahafaty azy.

Tamin’ny fibatana ny razana no no nahitana ny tady maitso mitovy amin’ny fanahazan-damba teo  an-tokotany izay namatorany ny tendany. Somary nanano-sarotra ny fakana sary teny an-toerana satria nanda izany ireto fianakavian’ny maty. Tonga teny an-toerana ihany koa  ny BMH sy ny borigady misahana ny heloka be vava ary eo am-pelatanan-dry zareo ny raharaha ka hahafantarana marina ny mety ho nanosika ity rangahy hanatontosa famonoan-tena na ihany ny mety ho zavatra hafa.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser