- Publicité -
mercredi, avril 30, 2025
AccueilFaits-DiversTsaramasay : Lehilahy voendaka sady voatsindrona antsy

Tsaramasay : Lehilahy voendaka sady voatsindrona antsy

Lehilahy iray handeha hamonjy fodiana rehefa avy niandry faty no sendra mpanendaka, omaly maraina be tany amin’ny 4 ora teny amin’ny faritry Tsaramasay Ankazomanga. Sady lasan’ireo olon-dratsy ny vola tany aminy no mbola voatsindrona antsy teo amin’ny tendany koa ity olona ity. Efa teo am-baravaran’ny tranony izy izao nasian’ireo olon-dratsy ireo. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa efa hitany ireo olona enina nanaraka azy. Nandeha nitsoaka ireo izy, nefa dia tratra ihany rehefa teo an-tranony. Sady nandona mafy ilay lehilahy no niantso vonjy. Izany angamba no nahatezitra ireo mpandroba ka nalainy aloha ny vola dia nolerany antsy avy eo. Nijininika ny rà. Nentina notsaboina tany amin’ny hopitaly teo no ho eo ity olona ity.

Samy nahare ny zavanisy na ny vadiny tao an-trano na ny manodidina ka niezaka nivoaka avokoa. Raha nahare izany ireo mpanendaka dia lasa nandositra niala avy hatrany ny toerana.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser