- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversTsararano-Maevatanàna : Lasan'ny jiolahy ny omby iray vala

Tsararano-Maevatanàna : Lasan’ny jiolahy ny omby iray vala

Jiolahy miisa roapolo  nitondra basim-orina sy zava-maranitra no tonga nanafika tany aminny  kaominina ambanivohitra  Tsararano,  ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny Alarobia heriny  lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Avy hatrany dia niditra an-keriny tao amin’ilay tanàna voalaza etsy ambony ireto jiolahy ireto. Sady nanapoaka basy izy ireo no nitsioka kiriorioka noentina nandemena ny iray tanàna. Tsy nisy sahy nivoaka ny trano ny fokonolona sy ny Zandary telolahy tany an-toerana , rehefa nahare ny poa-basy sy ny fanafihan-dahalo. Ireo jiolahy tety an-danany kosa nandroba ireo omby tao am-bala, ka lasan’izy ireo nandritra ny fanafihana ny omby iray vala. Tsy niandry ela ireto farany, fa nitsoaka nandositra avy hatrany rehefa nahazo ny omby. Efa nanomboka taitra ny mpitandro ny filaminana sy ny  teo amin’ny manodidina raha nandre ny feom-basy. Tsy niandry ela fa niroso avy hatrany tamin’ny fanenjehana ireo malaso izy ireo. Saingy tsy tratra intsony jiolahy nandritra ny fanarahan-dia natao.  Marihina fa tsy nisy naratra na ny aina nafoy nandritra ny fanafihana niseho tao an-tampon-tanànan’ny kaominina Tsararano. Mbola mitohy ny fikarohana ireo dahalo hamin’izao ora sy fotoana hamoahana ny lahatsoratra izao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici