- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversTsararasoatra Antsirabe : Lehilahy voaendaka sady voafiran’ny antsy

Tsararasoatra Antsirabe : Lehilahy voaendaka sady voafiran’ny antsy

Atoandro be nanahary no manao ny asa ratsiny ny mpanendaka ao Tsarasaotra Antsirabe. Miandahy miambavy izy ireo raha ny filazan’ny loharanom-baovao eny an-toerana. Tsy mifidy asiana fa izay tratrany aloha dia mitondra faisiana avokoa.

Lehilahy iray sady goavana no ranjanana no voandeka tao Tsarasaotra ny far. Tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro handeha hamonjy fodiana ity lehilahy ity no izao sendran’ny mpanendaka izao. Marihina fa toerana somary mangingina tsy dia be mpandalo loatra ny lalana nizoran’ity ranamana ity, na izany aza tsy araky ny eritreretana azy hoe hisy  mpanendaka teo amin’ilay toerana.

Andiana tarora maromaro no manendaka, tsy ampoizina fa misy vehivavy manampy izy ireo. Efa maty paika ny tetika satria misy amin’ireo mpanendaka no miodidina ny olona hoendahina, misy iray aveo manambana amin’ny  antsy lava lela avy aoriana mba tsy hanao fihetsika mahery sy hiantso vonjeo. Mandroba izay azony izy ireo ka an’ity lehilahy ity dia peratra volamena sy finday no lasan’ireo jiolahy.

Nanohitra ihany anefa ny lasibatra satria somary mbola boy kely ihany ireo olon-dratsy ka tamin’izay indrindra no naha voafiran’ny antsy ny tanany. Vaky nandositra ireo jiolahy nony avy teo ary samy niparitaka fa tsy nizotra tamina lalana iray.

Ankaotra izay, mpitandro filaminana mianatra asa ihany koa re fa nisy nanendaka teo amin’io toerana io, finday sy vola no alain’ireo mpanendaka.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici