Saika nivadika zavatra ho hafa ny fandrehetan’olona tsy fantatra afo tamin’ity fako na lodsia tamin’ny lalana Tsararivotra Toamasina mifanila amin’ny Somapalm teo aloha. Nisy fakona lodsia niangona mantsy teo akaikin’ity “taimenaky ny Somapalm” teo aloha ; izay efa lasa “Tara” na “goudron” mihitsy ankehitriny, ka raha nirehitra ilay fako dia nahazo ireto “tara” na “goudron” ny Somapalm teo aloha ireto ary nirehitra saika tsy voafehy ny afo. Nanomboka tamin’ny 09ora teo no nanomboka ny firehetana, nefa efa tamin’ny 12ora latsaka vao voafehy ny afo ; izay niarahan’ny mpamonjy voina sy hain-tranon’ny kaominina, orinasa Galana, ary ny orinasa Ambatovy. Ny tena loza tamin’ity afo, raha tsy voafehy hoy ireo mpamonjy voina sy hain-trano ireo dia mifanila amin’ity faritra nirehitra ity no misy ilay sinibe mitahiry ireo “ammoniaque” ampiasain’ny orinasa Ambatovy, amin’ny fisivanana ireo Nikela sy Kobalta ataony. Ho an’ny vahoaka monina manodidina kosa, dia ny mba hanotofana ireo “tara” na “goudron” navelan’ny orinasa Somapalm teo aloha ireo no tokony hatao aloha mba tsy hisian’ny loza tahaka ity nitranga omaly tao Tsararivotra Toamasina ity; satria nambaran’ny mpamonjy voinan’ny kaominina, fa mitovy firehitra mihitsy ny gazoala sy ity “taimenaka” efa mivadika ho “tara” na “goudron” ity, ary sarotra ny famonoana azy.
Malala Didier