Natomboka ny alatsinainy teo misandratr’andro, ny fanombohana ny fanamboarana ny lalam-potaka nampijaly vahoaka ao amin’ny fokontany Tsararivotra kaominina Toamasina Suburbaine. Isan’ny mampiasa ity làlana nampitondra olana goavana isaky ny fotoana ny orana ity ireo mpianatra mandranto fianarana eo anivon’ny Lisea faha-2 ao Tsararivotra, hany ka betsaka amin’ireo mpianatra no manapatapaka lava mandritra izany, noho ny fotaka sy ny fiakaran’ny rano noho ny tsy fisian’ny tetezana fiampitana. Raha ny fifanarahan’ny minisitera misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena ny taona lava, satria efa tokony ho ny volana novambra 2017 no nanombohan’ity asan-dalana ity, dia ao anatin’ny 30 andro no hanaovana izany ; izay hizara telo ny asa atao. Voalohany ny lalana 3.220m, aorian’izany ny lalana 280m, ary eo koa ny tetezana (radiers); mahatratra 3,5km izany ity fanamboaran-dalan-tany ity izay ny orinasa Malagasy “Tsaravintana” no hanao izany. Mitentina 140 tapitrisa ariary ny vola navoakan’ny fanjakana hanaovana izany avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany. Tsy ity lalan-tany ity ihany anefa no mampijaly vahoaka amin’ny fotoan’ny orana, fa eo koa ny lalana hafa izay efa nanome toky ny orinasa Ambatovy amin’ny alàlan’ny fanampiana ara-tsosialy fanaony ny hanamboatra izany. Sady manala fahasahiranana ny mponina, no hiteraka fiovam-piainan’ny ao Tsararivotra, ary hanafaingana ny fitsinjovana ara-tsiaslin’ny mponina na ara-pilaminana na ara-pahasalamana na ara-panabeazana ny fahavitany ity asan-dalana ity, hoy i Talata Michel lehiben’ny faritra Atsinanana. Ny orinasa “Tsaravintana” nahazo ny asa kosa nanome toky, fa hampiasa ny traikefany amin’ny fanajana ny fetr’andro nomena, sy hanao ny asa hanara-penitra ho tombontsoam-bahoaka.
Malala Didier