- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTsarasaotra Alarobia : Tranona karàna notafihana dimy lahy, voadaroka ny mpiambina

Tsarasaotra Alarobia : Tranona karàna notafihana dimy lahy, voadaroka ny mpiambina

Tanàna iray, ana terantany karàna, teny amin’iny faritra Tsarasaotra Alarobia iny no notongavana dimy nitondra fitaovam-piadiana, omaly vao maraim-be. Vokany, naratra nodarohan’ireo olon-dratsy ny tovolahy iray mpiambina ilay tanàna. Mbola tsy fantatra kosa izay lasan’ireto jiolahy ireto, tao amin’ity trano ity. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina teo ho eo no nitranga ity fandrobana ity, raha ny nambaran’ireo pôlisy tonga teny an-toerana. Nitsambikina avy eny ambony tamboho ry zalahy, ary avy hatrany dia nidaroka ilay mpiambina, izay an’ireo orinasana mpiambina tsy miankina ireny. “Bar à pince” sy sabatra no nentin-dry zalahy tamin’izay fotoana izay. Tsy voavahan’izy ireo anefa ilay trano tamin’io fotoana io, ka dia nivadika tao amin’ny trano ilàny indray izy ireo. Norahonan’izy ireo fotsiny indray ilay mpiambina iray tao amin’io tanàna io, ary notakiany ny fanalahidy miditra ao amin’ilay trano. Marihina fa samy nisaro-tava avokoa ireto jiolahy mpanafika ireto tamin’io fotoana io. Raiki-tahotra tamin’ilay lehilahy mpiambina, hany ka nanome izay notakian’ireto farany. Hatreto raha ny fanazavàna azo dia mbola tsy fantatra izay zavatra very tao amin’ity tanàna ity. Tsy tao mantsy ny tompon-trano tamin’ny fotoana nitrangan’ny fandrobana. Na dia mbola nisy fitairanana tonga ihany koa aza dia efa nandray ny andraikiny ireo mpitandro filaminana, nanokatra ny fanadihadiana. Efa mandeha ihany koa ny fikarohana ireo olon-dratsy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici