Feno dian-dratra ny vatany, mangana ny lohany, nisy fery teo am-pototsofiny, feno rà ihany koa ny fandriana natoriany tamin’ny fotoana nibatana ny razana teo ambony fandriana.
Nampivarahontsana ny nanatri-maso ny fahitana ity ramatoa be iray tokony ho 67 taona eo ho eo, maty nisy namono tao an-tranony tamin’ny fombe feno habibiana . Efa hatramin’ny Sabotsy lasa teo no tsy tao an-tranony ilay ramatoa raha ny fitantaran’ny zanany lahy , nihidy « cadenas » avy ety ivelany rahateo ny trano ka tsy nisy nieritreritra ratsy ny rehetra. Nikasa hitady ilay ramatoa ny fianakaviany niaraka tamin’ny lehiben’ny fokontany ny alahady,saingy nolazain’ilay zanany lahy fa mihidy avy ety ivelany ny varavarana ary milaza hatrany ity reniny rehefa handeha toy izao ka tsy nampandre ny mpitandro filaminana indray izy ireo . Izy rahateo mbola nivarotra ny sabotsy hariva, mpivaro-damba ao antsenan’asabotsy mantsy no asany. Ny talata maraina teo vao tapakevitra ilay zanany lahy rehefa avy niresaka tamin’ny fianakaviany any lavitra fa hitazana avy eo am-baravarankely hitsikilo ny ao an-tranony. Fofona ratsy be no ren’ilay zanany lahy ka nopitsohiny avy eo ny varavarana. Razana efa simba no hitany tao ary efa namoaka fofona ratsy be. Nampandre ny manodidina izy ary tonga teny an-toerana ny BMH nanao ny fizahana. Nanaitra ny manodidina ihany ny fahitana ny zava-nitranga,satria tsy vaky ny trano ary nihidy avy ety ivelany tamin’ny hidy tranony ihany ny tranon’ity ramatoa be ity. Tsy nisy very ihany koa ny entana tao an-trano. Tombatombana noho izany no ilazan’ny manodidina fa vola no nalain’ny nahavanon-doza. Ny sabotsy alina no nandre olona mandehandeha mivezivezy ny tao ambany rihana ,saingy nihevitra fa ilay ramatoa be ihany.
Manan-janaka telo vavy ity renim-pianakaviana ity,saingy mipetraka any Antananarivo avokoa, ilay zanany lahy no eto Antsirabe nefa mifanalavitra aminy ny trano fonenany.
Andry N.