- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsarasaotra : Assistant parlementaire nandeha Boldor, maty tao anaty lozam-pifamoivoizana

Tsarasaotra : Assistant parlementaire nandeha Boldor, maty tao anaty lozam-pifamoivoizana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina, teny Tsarasaotra-Soavimasoandro, omaly tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro. Namoy ny ainy tamin’izany ny Assistant parlementaire-n’ny depiote voafidy tao amin’ny boriborintany voalohany Hanitra Razafimanantsoa, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Mahery,  rehefa nifandona tamin’ny fiarakodia ny môtô Boldor nentiny. Araka ny fanazavana, nitranga ny loza rehefa avy nisongona moto iray teo anolohany ity Assistant parlementaire ity ka nifatratra tany amin’ny fiara iray nijanona teo an-tsisin-dalana ilay Boldor. Maty tsy tra-drano noho izany ity raim-pianakaviana ity. Fahafatesana nanaitra ireo fianakaviany izay tonga nidodododo teny amin’ny Tranom-patin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona(HJRA).  Voalaza fa tany am-pandevenana izy ireo no naharay ny antso avy amin’ny polisy nilaza izao loza izao. Nahavariana ny fianakaviana ihany koa ny naheno fa  niresaka tamin’ny vadiny tao an-trano fonenany ao Behoririka izy mialoha kely izao nahafaty azy izao. Nilaza ho tsy maintsy handeha hivoaka izy tamin’izay. Kanjo dia izao niharan-doza teny Tsarasaotra izao.

Maty tsy tra-drano ilay mpamily nifatratra tamin’ny tamboho

Lehilahy iray ihany koa  no namoy ny ainy rehefa nifatratra tamin’ny tamboho ny fiara “Toyota” nentiny ny sabotsy teo tamin’iny làlam-pirenena  iny. Naratra mafy kosa ny rahalahiny izay niaraka taminy. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohikely, fokontany Amboanana, kaominina Imerintsiatosika no nitranga ny loza tamin’ny 1ora maraina. Araka ny vaovao avy tamin’ny zandarimariam-pirenena izay niandraikitra ny famotorana dia nandeha mafy ilay fiara  raha niditra fiolahana ka tsy nahafehy ny familiana intsony ny mpamily. 

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici