- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 11, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsarasaotra : Mpitondra môtô maty, nidona tamin’ny kamiao

Tsarasaotra : Mpitondra môtô maty, nidona tamin’ny kamiao

Nipitika ary maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô taorian’ny fifandonana.

Nandriaka indray ny rà tetsy amin’iny lalam-baovao Tsarasaotra iny. Ny harivan’ny alatsinainy teo mantsy dia nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny an-toerana, tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any. Môtô “cross” iray no nifandona tamin’ny kamiao teny an-toerana, tsy lavitry ny sampan-dalana etsy Tsarasaotra mihazo an’Ivato iny. Vokany, maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô, noho ny dona mafy nahazo azy. Raha ny fanazavana nomen’ireo nanatri-maso teny an-toerana dia samy handeha hihazo an’Ivato iny avokoa, na ilay kodiaran-droa na ilay “semi-remorque”. Ity farany no nialoha lalana. Handeha haka sisiny hijanona, niala kely an’ilay toerana misy sarivongana mampiseho voron-drano iny anefa ity farany no naheno zavatra nidoboka tao aoriana. Ary indrisy fa ilay môtô potika sy ilay mpitondra azy, efa tsy nihetsika intsony tao anaty rà mandriaka no hitan’ny mpamily. Ny vodin’ilay “plateau remorque” iny no nifandona tamin’ilay môtô, izay tafisitrika tao ambany mihitsy iny. Nipitika kosa ilay mpitondra azy, izay raha ny angom-baovao azo hatrany dia tapa-tongotra sy vaky loha, antony nitarika ny fahafatesany. Azo heverina fa mety ho nandeha mafy avy any ary tsy nahatazana ity fiarabe teo alohany ilay mpitondra môtô tamin’io fotoana sy tsy nanam-po velively ny hijanonany. Tonga avy hatrany teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana misahana ny lozam-pifamoivoizana taorian’io tranga io, nanao ny fitsirihana ifotony sy ny fanadihadiana teny an-toerana. Nentina avy hatrany nihazo ny tranom-paty kosa ny vatana mangatsiakan’ity mpitondra môtô, raha nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy ho amin’ny famotorana azy ilay mpitondra kamiao. Efa mandeha araka izany ny fanadihadiana mahakasika ity loza mahatsiravina teny an-toerana ity.

Fa ankoatra ity teny Tsarasaotra ity dia fantatra fa zandary mpiana-draharaha maromaro handeha hizotra ho any Morondava ihany koa no niaran-doza omaly maraina tamin’iny lalam-pirenena 35, tao Malaimbandy. Nivadika ny fiara nitondra azy ireo taorian’ny fahavakisan’ny kodiarana aloha havia. Tsy nisy ny ainy nafoy saingy nisy sasantsany tamin’ireo mpitandro filaminana ireto no naratra vokatr’izay loza izay. Efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa moa ireto farany, raha ny fampitam-baovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici