- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversTsarasaotra : Niongotra faladia ilay mpitondra môtô voadona

Tsarasaotra : Niongotra faladia ilay mpitondra môtô voadona

Tokony ho tamin’ny 11 ora no nitranga ity lozam-pifamoivoizana ity omaly teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra. Nifandona ny kodiaran-droa sy ny fiara ary mazava hoazy fa naratra mafy ny mpitondra môtô. Niongotra tanteraka hatramin’ny faladian-tongony. Nahatsiaro tena fa saingy tena voa mafy io farany. Feno rà hatramin’ny arabe nisian’ilay loza.  Nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana ilay lehilahy mba ho fanavotana ny ainy. Mbola lozam-pifamoivoizana hatrany, nifandona ny samy kodiaran-droa tetsy Ambohimahitsy afakomaly vao nanomboka maizina ny andro, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva. Samy voa mafy ny roa tonta ary samy tsy nahatsiaro tena no nentina haingana tao amin’ny hopitalin’Ambohimangakely. Hatreto dia ny kodiaran-droa hatrany no tena mibahana ao anatin’ny loza mitranga eny an-dalambe. Betsaka no namoy aina ary isan’andro dia saika misy hatrany ny maratra entina eny amin’ny hopitaly. Tsy tambo isaina koa ny efa mitondra takaitra. Ny fivarotana azy ireny anefa dia tena faran’izay tsotra ary ny vidiny koa dia takatry ny maro. Tsy mila fahazoan-dàlana manamory akory dia efa afaka mitondra. Torak’izany koa, tsy mila fitsirihana ara-teknika akory dia efa afaka mivezivezy ny kodiaran-droa. Vokatr’izany dia mifanesy ny loza aterany ary mbola tsy nahitàna vahaolana ny fomba hampihenana an’izany. Mitady ho lasa olana eo amin’ny fiarahamonina.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici