- Publicité -
mercredi, juin 11, 2025
AccueilFaits-DiversTsarasaotra : Nisy fiara nivarina anaty rano indray

Tsarasaotra : Nisy fiara nivarina anaty rano indray

Vao maraina omaly dia nahatsikaritra fiara izay nivarina tao anaty rano indray ny mpampiasa ny lalam-baovao Tsarasaotra. Raha araka ny fanazavan’ny olona mipetraka teo amin’ny manodidina dia ny alin’ny alarobia tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany no nitrangan’ny loza. Fiara tsy mataho-dàlana izay mitondra ny marika Pajero no niharan-doza. Tsy nisy ny aina nafoy raha araka ny filazan’ny olona teo amin’ny manodidina hatrany. Nisesy tato ho ato ny loza teo amin’ity làlana izay mba isan’ny tsara eto an-drenivohitra ity. Vao ny voalohan’ny herinandro teo koa no nisy fiara kely izay nifatratratra tao. Io indray dia ramatoa no nitondra ny fiara ary nanao fisongonana kinanjo niafara tany anaty rano. Naratra mafy ary nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana mba ho fanavotàna azy. Azo lazaina mba tsara vintana ihany aza ireo olona satria raha tsy rano no niantefan’ny fiara dia mety ho ratsy kokoa ny fahavoazana. Lozam-pifampivoizana roa izay saika nitovy fitranga izany no nisy teo amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra hatramin’ny niandohan’ny herinandro.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici