- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTsarasaotra : Taxi-be sy 4X4 nifondona naharatra olona dimy

Tsarasaotra : Taxi-be sy 4X4 nifondona naharatra olona dimy

Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray  teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra omaly hariva. Fiara taxi-be mampitohy an’Ivato sy Ambodifasina Ambatolampy Tsimahafotsy no nifandona tamin’izany. Mafy ny fifandonana satria potika  tanteraka ny lohan’ny fiara roa. Olona dimy no fantatra fa naratra mafy vokatr’ity loza ity. Nisy ihany ireo hafa naratra saingy nadinidinika,

ka afaka nody avy hatrany fa ny hafa no nentina namonjy hopitaly. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy. Araka ny fitantaran’ny olona, vokatry ny fandehanana mafy nahatonga ny loza. Ny iray nivoaka ny lalana misampana avy any, ny faharoa nandeha mafy nahazo ny lalana mahitsy.  Ny fandehanana mafy amin’iny lalana iny, izay efa mahazatra ihany, efa natao ho amin’izany rahateo ny lalana mikodana, saingy ny tsy fitandremana eo amin’ny mpamily no mahatonga ny loza. Teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanavotra ireo naratra sy nanao ny fizahana ny loza.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici