- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsaratanana Ambakireny : Mitsoa-ponenana ny mponina, manjaka ny dahalo arovana olona...

Tsaratanana Ambakireny : Mitsoa-ponenana ny mponina, manjaka ny dahalo arovana olona ambony

Fianakaviana iray no mitsabo tena ao amin’ny hopitalin’Ambatondrazaka noho ny fanafihan-dahalo sy ny fanararaotan’izy ireo ny fahafantarana ny olona ambony ka hisian’ny tsy maty manota amin’ny tanàna manodidina an’Ambakireny. Taorian’ny fidinan’ny mpitandro ny filaminana tany Ambolosy, kaominina Ambakireny, distrikan’i Tsaratanana, izay hisambotra ity dahalo raindahiny ity  ka tsy nahasambotra  azy dia nihetsika ny fianakavian’ilay voalaza fa dahalo mba hanenjika ireo izay voalaza fa nampidina ireo mpitandro ny filaminana,   araka ny voalazany, sy ireo ananany  alahelo tao an-tanàna. Fandratrana sy vono no nahazo ity raim-pianakaviana iray ity ary nambarany  fa tsy maintsy hovonoina raha mbola  miseho mahalala  mpitandro ny filaminana. Naratra araka izany ity lehilahy ity ka nentin’ny fianakaviany notsaboina eto amin’ny hopitaly  Ambatondrazaka .Mihorohoro araka izany ny mponina ao Ambolosy ary misy mihitsy ny mitsoa-ponenana amin’ny tanàna hafa milefa  fa  matahotra valifaty raha mbola tsy voasambotra ilay dahalo raindahany, satria ny fianakaviany no mandrahona  sy milaza fa manana olona ambony miaro azy ireo, sy manana fianakaviana mpitsara ihany koa. Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny solontenan’ny fokonolona ny mba  hijeren’ny fitondrana foibe izao raharaha izao, satria ireo jiolahy manam-bola dia misy mpiaro hatrany  fa ny vahoaka madinika dia miraviravy tanana sy ampidirina am-ponja raha vao tsy misy mpiaro. Araka ny loharanom-baovao ihany dia efa nisazy tany amin’ny fonjan’i Tsiafaha io dahalo karohina io fa afaka hatrany ka izany no mampirehareha azy ireo sy hampitahorana ny vahoaka. Nametraka fitarainana amin’ny mpitandro ny filaminana moa ireo naratra.

Janus R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici