- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Ankizy mpianatra 40 isa tratran’ny ambalavelona

Tsaratanàna : Ankizy mpianatra 40 isa tratran’ny ambalavelona

Tovovavy mpianatra 40 isa no tratran’ny ambalavelona tany amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, ka voatery nakatona tsy fidiny nanomboka ny alatsinainy teo ny sekoly rehetra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana any an-toerana, ary tsy nianatra ireo mpianatra fa nahazo « vakansy Ambalavelona », mba hahafahana mitsabo an’ ireo marary. Miteny ratsy sy miantso anaran’olona foana ary mahery fihetsika ireo tratran’ ity aretina mampihoron-koditra ity. Araka ny tati-baovao voaray, dia voalaza fa nisy mpitondra fivavahana Sekta iray, izay tsy niera akory tamin’ny tompon’andraikitry ny sekoly tao amin’ny CEG Tsararova, no tra-tehaky ny mpiambina nandraraka ranom-panafody ody gasy mahery vao maraim-be, ka nanomboka teo dia nirongatra sy niparitaka ny ambalavelona, ary ireo ankizy vavy no tena voany. Raha ny fanadihadiana natao, dia amin’ny fotoan’ny maitso ahitra toy izao hatrany no tena isehoan’ ity aretin-devoly hafahafa ity eto amintsika.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici