- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsaratanàna – Betsiboka : Dahalo rain-dahiny mpaka an-keriny lavon'ny balan'ny zandary

Tsaratanàna – Betsiboka : Dahalo rain-dahiny mpaka an-keriny lavon’ny balan’ny zandary

Taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny kaaomandin’ny vondron-tombim-pileovan’ny zandary eto Betsiboka, ny asabotsy faha 10 febroary lasa teo, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambakireny, no nahomby ny paikady napetraka. Noho izany dia nahitana vokatra sahady ny hetsika fampandriana fahalemana nataon’ny zandary any amin’ny ilany atsimon’ny disitrakan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka, nandritra ny  » Opération HARATO 2″. Dahalo rain-dahiny iray, anisan’ny naman’ireo mpaka an-keriny antsoina hoe Ravelontsoa, dit Levolo, no lavon’ny balan’ny zandary, tao amin’ny fokontany Mamovoko, kaominina Ambakireny. Raha ny fampitam-baovao hatrany dia efa maro ny fitarainana voarain’ny zandary mikasika azy, fa mandrahona amin’ny antso an-tariby maka vola amin’ny havan’ireo olona nalainy an-keriny izy. Isan’ny atidoha nikotrika ny tranga fakana an-keriny farany teo moa ity jiolahy maty voatifitra ity, izay nangalana olona telo, tao Ambaibohokely sy Ambolosy ary Ambohodronono, ary mbola eny am-pelatanan’ny jiolahy. Ao anatin’ny fikarohana azy ireo tokoa ny zandary amin’ny alalan’ny hetsika fampandriana fahalemana ny tany na ihany koa ny  » Opération HARATO 2. » Miezaka mamerina ny filaminam-bahoaka sy ny asan’ny mponina eo amin’ny fiainany andavan’andro ny zandary, sady miezaka hatrara ny vina napetraky ny “ Ministre Délégué de la Gendarmerie Nationale” amin’ny ady atao amin’ny lafiny tsy fandriam-pahalemana misy eto Madagasikara, izay mikiky eny anivon’ny fiaraha-monina.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici