- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna - Betsiboka : Jiolahy ekipan'i Del kely antsoina hoe" Lemenangita" tra-tehaky...

Tsaratanàna – Betsiboka : Jiolahy ekipan’i Del kely antsoina hoe » Lemenangita » tra-tehaky ny Zandary

Noho ny firongatry ny asan-dahalo izay manao sesilany any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka, efa ho tapa-bolana lasa izay, nahavery omby dimapolo mahery, tao amin’ny fokontany Marosakoana, kaominina keliloha, any amin’ny disitrika izay voalaza etsy aloha, dia tsy nikely soroka tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Ny alatsinainy 20 jolay lasa teo, dia mbola saika nanao tampody fohy tamin’io tanàna io, ireo malasa. Soa ihany fa mailo ny Zandary sy ny fokonolona, ka tra-tehaka nandritra izay ity jiolahy antsoina hoe « Lemenangita » ity, izay voalaza fa ekipan’i Del kely, tratra ambodiomby teo am-panaovana ratsy, raha tafaporitsaka kosa ireo namany. Raha ny vaovao voaray dia tra-tehaka niaraka taminy ny basim-borona sy basy poleta vita gasy, miampy moara sy odim-bala. Raha ny fantatra dia mbola notazomina ao amin’ny fonjakelin’ny Zandaray atao famotorana ny tenany, saingy mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo malaso ireo. Ireto avy moa ireo dahalo anisan’ny tena manahirana ny mikaroka azy, noho izy ireo manana olona ambadika: Fidel dit Del kely, George be, Kotovelobe, Radada dit Lemenamaso, Bobola, Sandanah, Rajao, Tsidonga, Zanadrakoto dit Lemarijy, Celesy Kataka, Dezy, Lepila, Selesy. Ireo ny dahalo raindahiny any amin’ny disitrikan’i Tsaranàna, mpamono olona sy mpanao takalon’aina ikoizana sy manao fanafihana mitam-piadiana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici