- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Bodoin’ireo mpitrandraka volamena an-keriny ny tanin’ny tantsaha ao Brieville sy...

Tsaratanàna : Bodoin’ireo mpitrandraka volamena an-keriny ny tanin’ny tantsaha ao Brieville sy Andriamena

Noho ny fahafantarana mpitondra ambony, eo ihany koa ny kolikoly sy fanamparam-pahefana misy, dia mitohy hatrany ny fibodoan’ireo teratany vahiny ny tanin’olon-tsotra eto amintsika. Araka ny tati-baovao marim-pototra voaray avy any amin’ny Distrikan’i Tsaratanàna, Faritra Bongolava, dia alain’ireo sinoa, karàna ary sovietika an-keriny ny tanin’ireo mponina ao Brieville sy Andriamena, izay anaovan’izy ireo fitrandrahana chrome sy volamena ary vatosoa.  Efa hatry ny ela ireo tompon-tany no mitaraina any amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, kanefa tsy misy mihaino momba ity fitrandrahana harena ankibon’ny tany tsy ara-dalàna, tsy manaja ny lalàna mifehy ny tontolo iainana ary manao bontolo fotsiny ny tanin’olona ity. Ary mirehareha fatratra ireto farany milaza fa mahalala/manana mpitondra ambony, ka mampihorohoro sy mandrahona an’ireo tantsaha tsy mankasitraka ny fangalana ny taniny izay manohitra an’ireto vahiny. Manoloana ny fihoaram-pefy misy, dia mangataka sy miangavy ary manolotra vahaolana maika ho an’ny Ministry ny harena ankibon’ny tany ireo mponina any an-toerana, mba hampiato avy hatrany ny asan’ireo teratany vahiny mpitrandraka harena ankibon’ny tany mambotry vahoaka. “ Mandravarana sy mamono olona tsy manan-tsiny ireo dahalo mitam-basy mpangalatra omby, dia mbola alain’ireo teratany vahiny an-kerisetra koa ny taninay ”, hoy ity olom-boafidy iray tsy tononina andraikitra sy toerana misy eto, nanome ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici