- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Dahalo iray matin’ ny fitsaram-bahoaka

Tsaratanàna : Dahalo iray matin’ ny fitsaram-bahoaka

Raikitra ny fifandonana teo amin’ny fokonolona sy ny malaso 15 lahy nirongo basim-borona sy kalaky maromaro. Iray tamin’ireo dahalo no azo sambom-belona, ary tonga dia niharan’ny hatezeram-bahoaka, rehefa avy nangalatra omby miisa 50 miampy ireo entana maromaro sy vola mitentina iray hetsy ariary, tany amin’ny fokontany sy kaominina Bekapaika, disitrikan’i Tsaratanàna. Malaza indray ankehitriny ny asan-dahalo any amin’ny kaominina Bekapaika iny. Ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 07 ora hariva, no nitrangan’izany ka omby 50 no lasibatra tamin’izany. Antsasak’adiny taorian’io vao samy nivoaka ny tranony avy ny olona. Raikitra tamin’izay ny antso vonjy rehefa hita fa foana ny vala. Ny vatan-dehilahy teo an-tanàna niaraka tamin’ny fokonolona manodidina ny fokontany voatafika no tonga dia nanara-dia ireo dahalo. Tamina tanàna kely iray tsy lavitra ity toerana nisehoan’ny fandrobana no nifankatratra ny roa tonta. Teo no nisian’ny fifandonana, ka jiolahy iray izay voalaza etsy ambony no azo sambom-belona nandritra izany, ary tonga dia notetehan’ny fokonolona tamin’ny famaky teo izy. Nitsoaka avy hatrany ireo malaso 14 lahy rehefa nahita ny fatin’ny naman’izy ireo, fa ny omby 49 kosa dia tafaverina. Afaka 15 minitra taorian’izany, vao tonga ny Zandary avy any Tsaratanàna. Miaina ao anaty tebiteby tanteraka, araka izany, ireo mponina any an-toerana, satria efa mila ho isan-kerinandro ny asan-dahalo manao andiany manafika any amin’ny kaominina Bekapaika. Tsy nisy naratra na aina nafoy kosa tamin’ireo fokonolona nandritra ny fifandonana. Nankasitrahan’ny Zandary  ny fihetsik’ireo fokonolona izay niezaka nahatafaverina amin’ny tompony ireo omby ireo. Mitohy ny fanadihadiana sy fikarohana ireo dahalo sasany tafaporitsaka.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici