- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Dahalo iray no lavon’ny lehiben’ny dina any an-toerana

Tsaratanàna : Dahalo iray no lavon’ny lehiben’ny dina any an-toerana

Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny lehiben’ny dina sy ny malaso dimy lahy nirongo basim-borona sy kalaky maromaro. Iray tamin’ireo dahalo no maty voatifitra, rehefa avy nangalatra omby roa, tany amin’ny fokontany Manakana Bepilopilo, kaominina ambanivohitra Betrandraka, disitrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka. Malaza indray ankehitriny ny asan-dahalo any amin’iny faritra Tsaratanàna iny. Ny faran’ny herinandro teo no nitrangan’izany ka omby roa nitondra sarety handeha hitatitra bozaka  no noravan’ireto olon-dratsy tamin’ny tompony. Raha vao nahare izany Atoa Rija lehiben’ny dina any an-toerana dia nanara-dia niaraka tamin’ny olona vitsivitsy niara-nifarimbona taminy; izay  nanao sakana na “ Bouclage.” Tao amin’ny kizo antsoina hoe “ Andranomena”  no nifanehatra tamin’ireo malaso izy ireo, tokony ho tamin’ny folo ora maraina ka  dia raikitra ny fifandonana  “ Accrochage” teo amin’Atoa Rija sy ireo dahalo dimy lahy, izay nahafatesana jiolahy iray voalaza etsy ambony. Nitsoaka ireo malaso efatra ambiny  fa ny omby roa nalainy kosa dia tafaverina. Afaka 4km taorian’izay, dia niverina Atoa Rija sy ny namany nanara-dia. Marihina, fa tsy nisy naratra na aina nafoy tamin’ireo fokonolona nandritra ny fifanjevoana. Nankasitrahan’ny fokonolona manodidina ny fihetsika nasehon’ Atoa Rija; izay dahalo niova fo nanao ny ezaka, ka nahatafaverina amin’ny tompony ireo omby ireo. Miaina ao anatin’ny tebiteby tanteraka kosa araka izany ireo mponina any an-toerana, satria efa mila ho isan-kerinandro ny asan-dahalo manao andiany manafika any amin’iny faritra Tsaratanàna iny.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici