- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Dahalo nanafika tanàna, mpandanja volamena iray maty voatifitra

Tsaratanàna : Dahalo nanafika tanàna, mpandanja volamena iray maty voatifitra

Notafihana dahalo maromaro tsy voafaritra isa nirongo fiadiana indray ny tao amin’ny fokontany Antsalova, kaominina Ambanivohitra Tsaratanàna, ny Asabotsy 8 Semptambra lasa teo, tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina. Nirefodrefotra ny basy teo an-tanàna, ary rehefa tsy nahazo vola sy ny volamena ry zareo ireo, tonga dia nentin’ireto olon-dratsy hatrany ilay mpandanja volamena antsoina hoe Tovo. Tany amin’ny kilaometatra maro no nitifirany an’ilay mpandanja volamena, ka maty tsy tra-drano.  Tsy niandry ela fa niroso tamin’ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona ary nampian’ny polisy any an-toerana. Manoloana ny fahavoazan’ilay mpandanja volamena; izay hita nitsirara teny amin’ny tany dia niverin-dàlana ry zareo nitondra ny maty, fa ny polisy kosa nanohy ny fanenjehana ireo dahalo. Raha ny vaovao voaray avy tamin’ny tompon’andraikitry ny fitandroana ny filaminana any an-toerana, dia efa nisy ny ezaka sy ny paikady apetraky ry zareo amin’ity tsy fandriampahalemana ity. Tsy hilefitra ry zareo na eo aza ny tsy fahampian’ny mpitandro ny filaminana manoloana ireo dahalo manafika, izay marobe tokoa. Mahakasika ity fanafihana ity, dia mbola mitohy hatrany ny fanarahan-dia ireo malaso nahavanon-doza.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici