- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Dahalo roa raindahiny azo sambo-belona niaraka tamin’ny basy sy omby...

Tsaratanàna : Dahalo roa raindahiny azo sambo-belona niaraka tamin’ny basy sy omby 11

Rehefa nanara-dia ny Miaramila mpampandry tany avy ao amin’ny ZRPS DELTA sy ny Fokonolona taorian’ ny asan-dahalo nitranga tao Ambatobe, Distrikan’i Tsaratanàna, ny dimy oktobra lasa teo, dia dahalo roa raindahiny no azo sambo-belona niaraka tamin’ny basy roa sy omby  11, afak’omaly. Efa natolotra ny Zandary ao Tsaratanàna atao fanadihadiana lalina ireto dahalo, ary mbola karohin’ny mpitandro filaminana fatratra atao hazalambo amin’izao ny naman’izy ireo. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo amin’ny Faritra maro eto amintsika, dia ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay ihany no hahafahana manafoana ny asan-dahalo, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, raha nihaona tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana sivily sy miaramila tao Fianarantsoa, omaly. Nambarany ihany koa fa tsy hisy famindram-po mihitsy amin’ny asan-dahalo. Efa tonga any an-toerana ankehitriny ireo miaramila sy ny fitaovana hiadiana amin’ny dahalo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici