- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Fakana an-kery, ben’ny tanàna sy filoham-pokontany nidoboka am-ponja

Tsaratanàna : Fakana an-kery, ben’ny tanàna sy filoham-pokontany nidoboka am-ponja

Tsy nijanona fotsiny tamin’ny fahavotsoran’ireo mpiasan’ny kraoma sy ilay zazavakely izay nalain’ny jiolahy an-keriny ; izay niseho tany Andriamena sy Breville ny mpitandro ny filaminana any an-toerana fa niroso hatrany tamin’ny fanadihadiana ireo olon-dratsy sy ny dahalo ambony latabatra. Araka ny fampitam-baovao marim-pototra, dia misy dahalo  11 lahy anisan’ny ekipan’i Del no efa voasambotra, ary efa any amin’ny fonjan’i Marifoto any Mahajanga, raha ilay raharaha fakana an-keriny tany amin’iny faritra Tsaratanàna iny. Araka ny fanazavana azo hatrany, dia nanondro ny lehiben’ny ireo dahalo ; izay anisan’ny nandray anjara mivantana tamin’ny fakana an-keriny. Ny ben’ny tanànan’ny kaominina Bekapaika sy ny sefom-pokontany ao Antsirasira no voatonontonona ho mpiray tambajotra amin’ireo mpaka an-keriny. Araka ny loharanom-baovao hatrany mantsy, dia mpanome sakafo sy vaovao amin’ny antso an-telefaonina ny dahalo mpaka an-keriny an’ilay mpiasan’ny kraoma sy ilay zazavavy kely izy roa lahy voalaza etsy aloha ireto, ary tsy vitan’izany fa mbola miray tendro amin’ireo dahalo mangalatra omby any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna ihany koa izy ireo. Etsy andanin’izay dia fantatra, fa efa nosamborin’ny Zandary any an-toerana izy roa lahy mpitantana tanàna ireto, ary efa naiditra an-ponja vonjimaika any Mahajanga.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici